Luke 18

1Avy eo Izy nilaza fanoharana tamin’izy ireo ny momba ny tokony hivavahan’izy ireo mandrakariva, ary tsy ho kivy, 2niteny hoe: “Tao amin’ny tanàna iray dia nisy mpitsara izay tsy natahotra an’Andriamanitra ary tsy nanaja olona.

3Ary nisy mpitondra-tena iray tao amin’io tanàna io, ary izy nankany aminy matetika, niteny hoe: ‘Ampio aho mba hahazoako rariny manoloana ny fahavaloko.’ 4Fa efa hatry ny ela izy no tsy vonona ny hanampy azy, fa taoriana kelin’izany dia niteny tamin’ny tenany izy hoe: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho na tsy manaja olona, 5fa koa satria manahirana ahy ity mpitondra-tena ity, dia hanampy azy aho mba hahazoany rariny, mba tsy handreraka ahy nohon’ny fivezivezeny lava aty intsony izy.’”

6Avy eo niteny ny Tompo hoe: “Henoy izay ambaran’ilay mpitsara tsy marina. 7Ary tsy hitondra rariny ho an’izay voafidiny izay miantso mafy Azy andro aman’alina koa ve Andriamanitra? Hangatak’andro lava amin’izy ireo ve izy? 8Lazaiko aminareo fa hitondra rariny faingana amin’izy ireo izy. Toy izany koa, rehefa tonga ny Zanak’Olona, hahita finoana ety an-tany tokoa ve Izy?”

9Avy eo koa Izy nilaza izao fanoharana izao tamin’ny sasany izay nahatoky ny tenan’izy ireo fa hoe marina sy izay manevateva ireo olona hafa: 10“Nisy roa lahy niakatra tao an-tempoly mba hivavaka _ ny iray dia Fariseo ary ny iray hafa dia mpamory hetra.”

11Ilay fariseo nitsangana ary nivavaka ireto zavatra momban’ny tenany ireto hoe: ‘Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mitovy amin’ny olona hafa _ mpangalatra, olona tsy marina, mpijangajanga _ na tahaka ity mpamory hetra ity aza. 12Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho. Manome ny ampahafolon’izay azoko rehetra aho.’

13Fa ilay mpamory hetra, nijoro teny alavitra, tsy nety nanandratra ny masony teny amin’ny lanitra akory, fa niteha-tratra, niteny hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, mpanota.’ 14Milaza aminareo Aho, io lehilahy io dia niverina nidina tany an-tranony voamarina noho ilay iray, satria izay rehetra manandra-tena dia hahetry, fa izay rehetra manetri-tena no hasandratra.”

15Ny olona koa dia nitondra ny zanany kely teo Aminy, mba hikasihany azy ireo, fa rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia niteny mafy azy ireo. 16Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy, niteny hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo. Fa an’ny toa azy ireo ny fanjakan’Andriamanitra. 17Lazaiko marina aminareo, na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny zaza dia tsy hiditra ao amin’izany mihintsy.”

18Ary nisy mpanapaka iray nanontany Azy, nanao hoe: “Mpampianatra tsara ô, inona no tsy maintsy hataoko mba handovako ny fiainana mandrakizay?” 19Jesosy niteny taminy hoe: “Nahoana Aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy olona tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 20Fantatrao ireo didy _ Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao.” 21Niteny ilay mpanapaka hoe: “Izany rehetra izany dia efa nankatoaviko hatry ny fony izaho tanora.”

22Rehefa naheno izany Jesosy, dia niteny taminy hoe: “zavatra iray no tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotra izay rehetra anananao ianao ary mizara izany amin’ny mahantra, ary hanana harena any an-danitra ianao _ ary avia, manaraha Ahy.” 23Fa rehefa naheno ireo zavatra ireo ilay mpanapaka, dia nanjary nalahelo loatra, fa nanan-karena be izy.

24Ary Jesosy, nahita azy, nanjary nalahelo mafy [Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia misara-kevitra raha tokony ho ampidirina eto ny teny hoe: [Izy] dia nanjary nalahelo mafy. Ampitahao ny And 23] ary niteny hoe: “Manao ahoana ny fahasarotan’ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ireo izay mpanan-karena! 25Fa moramora kokoa ho an’ny rameva ny hiditra amin’ny vodim-panjaitra, nohon’ny hidiran’ny olona mpanan-karena iray ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

26Ireo izay naheno izany dia niteny hoe: “Iza ary no afaka ho vonjena?” 27Jesosy namaly hoe: “ireo zavatra izay tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.”

28Petera niteny hoe: “Indro, nandao ny zavatra rehetra izay anay izahay ary nanaraka Anao.” 29Ary Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa tsy misy olona izay nahafohy trano, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na zanaka, nohon’ny fanjakan’Andriamanitra, 30izay tsy hahazo bebe kokoa amin’ity izao tontolo izao ity, ary amin’ny andro ho avy, dia fiainana mandrakizay.”

31Rehefa avy nanangona ny roa ambin’ny folo lahy teo Aminy Izy, dia hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, ka ireo zavatra rehetra izay voasoratr’ireo mpaminany momban’ny Zanak’Olona dia ho tanteraka. 32Fa hatolotra eo amin’ireo Jentilisa Izy, ka hihomehezana, sy halana baraka, ary ho roràna. 33Aorian’ny hikapohana Azy, dia ho vonoin’izy ireo Izy ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana indray Izy.”

34Tsy nahatakatra na inona na inona tamin’ireo zavatra ireo izy ireo, ary nafenina tamin’izy ireo izany teny izany, ary tsy azon’izy ireo ny zavatra izay voalaza.

35Ary raha nanakaiky an’i Jeriko i Jesosy, dia nisy lehilahy jamba iray nipetraka teo an-tsisin-dalana nangataka, 36ary raha nandre ny vahoaka nandalo, dia nanontany izay zavatra nitranga izy. 37Nilaza taminy izy ireo hoe nandalo teo Jesosy avy any Nazareta.

38Koa niantso mafy ilay lehilahy jamba, nanao hoe: “Jesosy, Zanak’i Davida, mamindrà fo amiko.” 39Fa ireo izay nandeha nialoha dia niteny mafy an’ilay lehilahy jamba, ka niteny taminy mba hangina. Fa izy vao maika niantsoantso mafy hoe: “Ry Zanak’i Davida, mamindrà fo amiko.”

40Jesosy nijanona ary nandidy ny mba hitondrana ilay lehilahy ho eo aminy. Ary rehefa teo akaiky ilay lehilahy jamba, dia nanontany azy Jesosy hoe: 41“Inona no tianao hataoko ho anao?” Niteny izy hoe: “Tompo, te-hahiratra aho.”

42Jesosy niteny taminy hoe: “Mahiràta. Ny finoanao no nahasitrana anao.” Teo noho eo dia nahiratra izy ary nanaraka Azy, nanome voninahitra an’ Andriamanitra. Ny olona rehetra, rehefa nahita izany, dia nanolotra fiderana ho an’Andriamanitra.

43

Copyright information for PltULB